Ny mampiavaka ny Jiosy dia ny fitandremana ny Sabata, izay atao isaky ny asabotsy. Efa 3 500 taona lasa izay no nitandreman’ny Jiosy ny Sabata, tamin’i Mosesy nanangana fety manokana impito. Ny Levitikosy 23 dia milazalaza ireo fety fito ireo, izay ankalazaina isan-taona ny enina tamin’ireo (anisan’izany ny Paska, izay nojerentsika teo aloha ).
Ny niandohan’ny Sabata
Fa ny Sabata no voalohany indrindra tamin’ny lisitry ny fety. Androany no iantsoantsika azy hoe Sabotsy, andro amin’ny herinandro nametrahan’ny Jiosy tsy fiasahana fa hialana sasatra . Nihatra tamin’ny mpanompony sy ny bibiny koa izany. Ny tsirairay dia tokony hanana andro fitsaharana iray amin’ireo andro fito amin’ny tsingerina isan-kerinandro. Fitahiana ho antsika rehetra izany ankehitriny, satria io tsingerina fito andro io no fototry ny herinandro hiasantsika. Ny faran’ny herinandro Sabotsy sy Alahady izay ankafizintsika indrindra dia avy amin’ity androm-pitsaharana sabata voatendrin’i Mosesy ity.
Mosesy dia nandidy hoe:
1 ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ny amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:–
3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivorina masina; aza manao raharaha akory hianareo, fa Sabata ho an’i Jehovah eny amin’izay fonenanareo rehetra izany.
Levitikosy 23:1-3
Nitandrina ny Sabata i Jesosy
Tao amin’ny Filazantsara, i Jesosy dia nifamaly tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny, momba ny tena dikan’ny fitsaharana amin’ny Sabata. Nitandrina ny Sabata anefa izy. Raha ny marina dia hitantsika izy mitandrina ny Sabata na dia mandritra ny herinandro Masina aza. Ny omalin’ny zoma tamin’ny andro fahenina amin’ny Herinandro Masina, dia nohomboana sy novonoina i Jesosy. Ny hetsika farany tamin’io andro io dia ny fandevenana azy, namela asa tsy vita.
55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. 56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra.
Lioka 23:55-56
Te-hanosotra zava-manitra ny vatany ireo vehivavy, saingy fohy ny fotoana ary nanomboka ny Sabata tamin’ny filentehan’ny masoandro ny zoma hariva. Nanomboka ny Sabata àry ny andro faha-7 sady farany amin’ny herinandro, ka tsy afaka niasa ny Jiosy.
Niala sasatra araka ny didy ireo vehivavy izay naniry hanosotra ny fatin’i Jesosy tamin’ny Sabata.
… Raha mbola niasa ny hafa
Fa ny lohan’ny mpisorona nanohy ny asany tamin’ny Sabata.
62 Ary nony ampitson’ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’i Pilato ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo 63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho. 64 Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. 65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. 66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
Matio 27:62-66
Tamin’io andro sabata io, dia niasa niambina ny fasana ny lohan’ny mpisorona, raha mbola niala sasatra kosa ny vehivavy. Mety hihevitra isika fa tsy ilaina ny mihevitra fa nitsahatra tamin’io andro io koa i Jesosy. Efa novonoin’ny manam-pahefana tokoa mantsy izy, ka hita fa nandry fahizay izy. Ary miafara amin’ny fahafatesany hatrany ny tantaran’ny olona. Hafa anefa i Jesosy ary tsy nijanona teo izy. Nitsahatra Izy tamin’io Sabata io, araka ny tokony ho nataon’ny Jiosy rehetra. Saingy ny ampitson’iny, izay nantsoina hoe “voaloham-bokatra“, dia niverina niasa izy.