1RAHA mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; 2ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao:–
3Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha.
4Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao.
5Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
6Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka.
7Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.
9Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin’ny làlany. 10Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
11Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao homena anao. 12Hovohan’i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ny taninao amin’ny fotoany sy hitahiany ny asan’ny tànanao rehetra.
Ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra. 13Dia hataon’i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. 14Ary aza miala amin’ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
Ozona noho ny tsy fankatoavana
15Fa raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:–
16Hozonina hianao ao an-tanàna, ary hozonina hianao any an-tsaha.
17Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.
18Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao.
19Hozonina hianao, raha miditra; ary hozonina hianao, raha mivoaka.
20Hampandehanin’i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tànanao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ny nataonao tamin’ny nahafoizanao Ahy. 21Hampiraiketin’i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana. 22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao. 23Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao. 24Hataon’i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin’ny taninao; avy any an-danitra no hidinan’izany aminao mandra-paharinganao.
25Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloan’ny fahavalonao hianao, ka làlana iray no hivoahanao hiady aminy, fa làlana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany hianao. 26Ary ny fatinao hohanin’ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27Hamelin’i Jehovah anao ny vain’i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody); 28ary hamelin’i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra. 29Dia hitsapatsapa hianao na dia amin’ny mitataovovonana aza tahaka ny fitsapatsapan’ny jamba ao amin’ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin’izay halehanao; dia hampahorin’ny sasany sy hobaboiny mandrakariva hianao, fa tsy hisy hamonjy. 30Hifofo vady hianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano hianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanimboaloboka hianao, fa tsy hihinana ny vokatra. 31Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany hianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman-osinao homena ho an’ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy hianao. 32Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tànanao. 33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrao; ary hanaovan’ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva hianao. 34Dia ho very saina hianao noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao. 35Hamelin’i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin’ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin’ny faladianao ka hatramin’ny tampon-dohanao.
36Ho entin’i Jehovah ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao hianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo. 37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny hianao any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’i Jehovah anao.
38Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ny valala ireny. 39Hanao tanimboaloboka hianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka hianao, satria ho lanin’ny fositra ireny. 40Hanana hazo oliva amin’ny taninao rehetra hianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao. 41Hiteraka zazalahy sy zazavavy hianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. 42Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin’ny valala. 43Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho hianao, fa hianao kosa hietry ho ambany dia ambany. 44Izy hampisambotra anao, fa hianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa hianao ho rambony.
45Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao. 46Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany, 47satria tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po hianao noho ny habetsahan’ny zavatra rehetra. 48Ary amin’ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana ary ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
49Ho entin’i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ny faran’ny tany–tahaka ny fanidin’ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny, 50firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora– 51dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman-osinao, mandra-pandringany anao. 52Dia hataony fahirano any amin’ny tanànanao rehetra hianao mandra-pandravany ny màndanao avo sy mafy, izay itokianao, eran’ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano hianao any amin’ny tanànanao rehetra eran’ny taninao rehetra, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 53Ary eo amin’ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 54Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa, 55ka tsy hisy amin’ireo hanomezany ny nofon’ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin’ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao rehetra. 56Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fijery ny vadiny andefimandry sy ny zanani-lahy ary ny zanani-vavy 57noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin’ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao.
58Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO, 59dia hataon’i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela. 60Dia haveriny aminao indray ny aretin’i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. 61Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin’ny bokin’ity lalàna ity aza, dia ho entin’i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao. 62Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin’ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao.
63Ary araka izay nifalian’i Jehovah taminareo hahasoa hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian’i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana hianareo tsy ho eo amin’ny tany, izay efa hidiranao holovana. 64Dia haelin’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany hianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao. 65Ary any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ny faladianao; fa any no hanomezan’i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. 66Ary ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman-alina hianao ka tsy hanampo izay ho velona. 67Nony maraina ny andro dia hanao hoe hianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe hianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao.
68Ary hianao ho entin’i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin’ilay làlana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony hianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin’ny fahavalonareo hianareo, nefa tsy hisy mpividy.
69IZAO no tenin’ny fanekena izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy hatao amin’ny Zanak’Isiraely tany amin’ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
Fanavaozana ny Fanekena
1Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’i Jehovah teo imasonareo tany amin’ny tany Egypta tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3Nefa tsy nomen’i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre hianareo mandraka andro-any. 4Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ny tongotrao ny kapanao. 5Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
6Ary nony tonga tamin’ity tany ity hianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. 7Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase.
8Dia tandremo ny tenin’izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina hianareo amin’izay rehetra ataonareo.
9Hianareo rehetra miseho eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo anio–dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan’ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely, 10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ny tobinareo mbamin’ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao– 11hidiranao amin’ny faneken’i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’i Jehovah Andriamanitrao aminao anio, 12hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
13Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, 14fa amin’izay eto amintsika anio eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika sy amin’izay tsy eto amintsika anio koa; 15fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin’ny jentilisa; 16ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy; 17fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eo aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin’i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty; 18ary raha ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko,–handringanana ny leony mbamin’ny mangetaheta. 19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’i Jehovah tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany. 20Dia hosarahin’i Jehovah amin’ny firenen’Isiraely rehetra ho amin’ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ny fanekena izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
21Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ity tany ity sy ny faharariana izay nampahararian’i Jehovah azy– 22fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan’i Jehovah tamin’ny fahavinirany sy ny fahatezerany– 23dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’izao fahatezerana lehibe izao? 24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta. 25Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy; 26dia nirehitra tamin’ity tany ity ny fahatezeran’i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’ity boky ity; 27ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’i Jehovah azy tsy ho eo amin’ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin’ny tany hafa, tahaka ny amin’izao anio izao.
28An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
Fanambinana Rehefa Nitodika Amin’ny Tompo
1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao anao hianao, 2ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3dia hampodin’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’i Jehovah Andriamanitrao anao. 4Raha misy aminao voaroaka any amin’ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5Dia hampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ny tany izay nolovan’ny razanao hianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao. 7Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8Dia hihaino ny feon’i Jehovah indray hianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy hianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tànanao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ny razanao, 10raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Ny Atolotra ny Fiainana na ny Fahafatesana
1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao anao hianao, 2ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3dia hampodin’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’i Jehovah Andriamanitrao anao. 4Raha misy aminao voaroaka any amin’ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5Dia hampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ny tany izay nolovan’ny razanao hianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao. 7Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8Dia hihaino ny feon’i Jehovah indray hianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy hianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tànanao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ny razanao, 10raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.