1Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 2Lazao amin’ny Zanak’Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin’i Pi-hahirota, eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina; eo akaikan’i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron’ny ranomasina. 3Ary Farao hilaza ny Zanak’Isiraely, hoe: Azon’ny tamberintany izy ka voahidin’ny efitra. 4Dia hanamafy ny fon’i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ny Zanak’Isiraely izany.
5Ary nisy nanambara tamin’ny mpanjakan’i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon’i Farao sy ny mpanompony ny amin’ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin’ny fanompoany antsika isika? 6Dia nasainy nofehezina tamin’ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy. 7Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin’ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. 8Ary Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, mpanjakan’i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’Isiraely izy, na dia tamin’ny tànana avo aza no nivoahany.
9Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin’i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron’ny ranomasina, teo anilan’i Pi-hahirota, tandrifin’i Balazefona.
10Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ny Zanak’Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’Isiraely ka nitaraina tamin’i Jehovah. 11Ary hoy koa izy tamin’i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay hianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? 12Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
13Ary hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. 14Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.
15Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? lazao amin’ny Zanak’Isiraely mba handroso. 16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’Isiraely. 17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’i Farao sy amin’ny miaramilany rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, 18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
19Ary Ilay Anjelin’Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany 20ka tonga teo anelanelan’ny tobin’ny Egyptiana sy ny tobin’ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
21Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. 22Dia nandeha teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina, dia ny soavalin’i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsovaliny. 24Ary tamin’ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ny Egyptiana tao amin’ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ny Egyptiana. 25Ary nanala ny kodian’ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ny Egyptiana ho an’ireo.
26Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tànanao, mba hikatonan’ny rano amin’ny Egyptiana mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. 27Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’i Jehovah teo afovoan’ny ranomasina ny Egyptiana. 28Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’i Farao rehetra izay niditra teo amin’ny ranomasina nanenjika ny Zanak’Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 29Fa ny Zanak’Isiraely kosa nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany.
30Izany no namonjen’i Jehovah ny Isiraely tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’ny Egyptiana; ary hitan’ny Isiraely teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Egyptiana. 31Ary rehefa hitan’ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ny tànan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana, dia natahotra an’i Jehovah ny olona ka nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
Eksodosy 14:1-31
Home »