Skip to content
Home » Jaona 13-16

Jaona 13-16

Nanasa ny tongotry ny mpianany Jesosy

1ARY talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany. 2Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy, 3sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany, 4dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; 5ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.

6Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro? 7Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay. 8Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko. 9Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa. 10Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra. 11Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa hianareo rehetra.

12Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo? 13Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. 14Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. 15Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. 16Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. 17Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany. 

Maminany ny hamadihana Azy Jesosy

18Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: ,,Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy’’ (Sal. 41.9). 19Hatramin’izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.

20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.

21REHEFA nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. 22Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. 23Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy. 24Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. 25Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? 26Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona Iskariota. 27Ary manaraka izany no nidiran’i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.

28Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana nahalala ny anton’ny nilazany izany taminy. 29Fa nataon’ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ny malahelo. 30Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin’izay; ary efa alina ny andro. 

Naminany ny fandavan’i Petera i Jesosy

31Ary tamin’izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy. 32Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin’ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’izay Izy. 33Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo, ary araka ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: ,Izay alehako tsy azonareo haleha,’ dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.

34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.

36Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany hianao rahatrizay. 37Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao. 38Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.

Mampionona ny Mpianany i Jesosy

14 1AZA malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. 2Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin’izay halehako.

Jesosy ny Lalana mankany amin’ny Ray

5Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana? 6Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. 7Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.

8Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.

12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. 13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. 14Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.

Mampanantena ny Fanahy Masina i Jesoa

15Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, 17dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho. 19Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa hianareo. 20Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa? 23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy.

25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

27Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. 28Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. 29Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. 30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. 31Fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko.

Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Ny voaloboka sy ny sampany

1IZAHO no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. 2Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. 3Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. 4Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. 5Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. 6Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. 7Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.

9Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. 10Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.

11Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. 16Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.

17Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. 

Mankahala ny Mpianatra izao tontolo izao

18Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. 19Raha naman’ izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. 20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. 21Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy. 22Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialana azony atao ny amin’ny helony. 23Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. 24Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Aho sy ny Raiko koa; 25fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ny lalàny hoe: ,,Halany foana Aho’’

Ny asan’ny Fanahy Masina

26Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany.

1IZANY teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo. 2Handroaka anareo hiala amin’ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. 3Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. 4Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.

5Fa ankehitriny mankany amin’Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao? 6Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’alahelo ny fonareo. 7Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy. 8Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: 9ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; 10ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo; 11ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara.

12Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 15Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Hivadika ho fifaliana ny alahelon’ny mpianatra

16Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo. 17Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: ,Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo,’ ary, ,satria mankany amin’ny Ray Aho’? 18Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe ,vetivety foana’ izany? Tsy fantatsika izay lazainy.

19Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va hianareo, satria hoy Izaho: ,Vetivety foana dia tsy hahita Ahy hianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy hianareo?’ 20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona hianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary hianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. 21Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ny tany. 22Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. 23Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona hianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

25Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ny Ray. 26Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny anarako hianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ny Ray ho anareo; 27fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho. 28Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ny Ray.

29Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Hianao.

31Jesosy namaly azy hoe: Mino va hianareo ankehitriny? 32Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. 33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.